<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<title>Ry Jehovah, Ray Kiady FFPM708</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jehovah Ray kiady
 Sy mpikarakara anay,
 Ka nitahy ny mpivady
 Tao Edena fahizay,
 Indro misy tonga koa
 Eto anatrehanao,
 Manam-pikasana soa
 Ho mpivady hatr'izao.

[V2]
 Mba tahio, ry Ray mpiahy,
 Ny firaisany izao,
 Hifanaraka am-panahy
 Sy hiankina aminao.
 Ny tsodranonao fahiny
 Angatahinay indray,
 Mba hatao ankehitriny
 Hahatò ny hatakay !

[V3]
 Raha omenao zaza izy,
 Dia mba ampio re,
 Hitaizany ny ankizy
 Amim-pahendrena be ;
 Aza avela ho irery
 Raha tratry ny manjo,
 Fa tafionao ny hery
 Mahatanjaka ny fo.

[V4]
 Raha ao ny andro tony
 Mila haharenoka,
 Dia taironao ny fony,
 Ry Mpamela heloka.
 Raha tapitra ny taona
 Efa voafetranao,
 Enga ka ho tafahaona
 Ao an-danitra aminao.</lyrics>
<hymn_number>708</hymn_number>
</song>